<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Raiko o! FFPM600</title>
<lyrics>[V1]
 // Ry Raiko ô ! //
 Izaho atý mpivahiny
 Manina ny tranonao,
 Ka mba tariho
 Ny zanakao.

[V2]
 // Ry Raiko ô ! //
 Indro, Satana milofo
 Mba hanangoly anay,
 Ka mba vonjeo
 Ny zanakao.

[V3]
 // Ry Raiko ô ! //
 Maizina sady malama,
 Sarotra ny lalanay,
 Ka mba tantano
 Ny zanakao.

[V4]
 // Ry Raiko ô ! //
 Maro ny zava-mihatra,
 Izay mampanahy anay,
 Ka mba tohano
 Ny zanakao.

[V5]
 // Ry Raiko ô ! //
 Aoka anie ny Fanahy
 No mba hitarika anay
 Ho tonga any
 An-tranonao.</lyrics>
<hymn_number>600</hymn_number>
</song>